Nivoaka ny alarobia lasa teo ny boky “Mais où vont-ils tous?”, nosoratan’i Dominique Ranaivoson. Razanadriaka Lalao Elina no nandika azy, nanao ny sary kosa i Doda. Ny Mpariaka boky kosa no niandraikitra ny fanontana. Boky ahitana tantaran-tsary, mampahafantatra sy maneho ny zava-misy iainana eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny […]
Mois : décembre 2023
hira anaty sarimiaina: hoentina an-tsehatra ny Wesing Disney
Fetin’ny Krismasy mira fetin’ny ankizy. Fetin-tsekoly koa matetika, hanehoan’ireo mpianatra ny talentany. Tsy hidify amin’izany fanao izany ireo mpianatry ny Iarivo Art & music Academy, etsy Andravoahangy Ambony. Amin’ny maha sekoly fianarana mozika azy anefa, hiavaka noho ny sekoly rehetra ny fetin’ny mpianatra. Haka endrika fampisehoana goavana izany, izay hotontosaina […]
Voaporofo tokoa: Very fototra sy voazarazara ny Malagasy
Niteraka resabe… Vaovao niainga avy any Rôma momba ny fitsofan-drano ireo mitovy fananahana te hanorina tokantrano. Samy nanana ny nandraisany azy rahateo ny tsirairay. Saingy, ahatarafana ihany koa fa manao antsavily amin’ny tranonkala ny Malagasy. Manahirana sy mila fitandremana fatratra ny fifampiresahana na ny fanehoan-kevitra manoloana ny filazana avy any […]
VAOVAO TAMBATRA
Tratran’ny zandary ny telo lahy mpangalatra bizo any amin’ny RN31A, lalana mampitohy an’Antsohihy sy Bealanana, faritra Sofia, ny 19 desambra teo. Ahiahiana ho nanimba sy nangalatra ny bizo any Bekapa sy ny lalam-pirenena RN 31A izy ireo. Hampiakarina any amin’ny sampana fampanoavana ao amin’ny fitsarana Antsohihy ireo voampanga ireo. Misanda […]
Sendikan’ny indostria eto Madagasikara : natsangana ny « Centre de gestion agréé »
Entina hanampiana amin’ny fitantanana ara-bola sy hanaraha-maso ireo orinasa mitsangana eto Madagasikara ny tanjona napetraky ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) nandritra ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny foibem-pitantanana natao ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (centre de gestion agréé, CGA) tetsy Analakely, omaly. Tombony amin’ny CGA ny fanamorana ny […]




