Tapitra amin’ity taona ity ny dingana voalohany tamin’ny paikady nasionalin’ny fiahiana sosialy notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina izay naharitra 5 taona. Nanao tombana ny paikady niaraka tamin’ireo minisitera mpiantsehatra sy ny mpiara-miombon’antoka ny ekipa tamin’ity herinandro ity, tetsy Antaninarenina. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Ghisbert.
Hisy atrikasa hampahafantarana ny tian’ny fanjakana hatao amin’ny fanatrarana ny tanjona izay mifanaraka amin’ny politikan’ny fanjakana. Voalazan’ny filoha nandritra ny fianianana natao rahateo fa hanome vahana kokoa ny momba ny olombelona izy amin’ny alalan’ny fiahiana sosialy. Mirona amin’izay ny fandrafetana ny paikady enti-miasa indray ao anatin’ny 7 taona manaraka (2024-2030).
Laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny maha olona. Tanora ny antsasa-manilan’ny Malagasy, omen-danja ny fiofanana sy ny tosika ho azy ireo. 70%-n’ny tetikasa fiahiana sosialy dia hifantoka amin’ny tontolo ambanivohitra arahina fiofanana.
Mankany amin’ny fanomezan-danja ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay no tanjona. Miala amin’ny faharefoana ary ho mpandray anjara amin’ny fampandrosoana amin’izay ireo nahazo tohana. Hametraka ny tondrozotra hametrahana izany no ezahina, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Ghisbert.
Raha ny tombana dia nahomby ny tao anatin’ny 5 taona lasa (2019-2023). Niohatra ny 15% ny tahan’ny ankohonana marefo tafarina. Amin’ny 2030 dia ny antsasa-manilan’ny vahoaka Malagasy no hisitraka ny fiahiana sosialy tena izy.
Tetikasa maro no natao nahahenika distrika an-jatony tamin’ireo faritra niasana. Ny Haratonaina izay nahahenika ankohonana hatrany amin’ny 1 355 500. Tao ny Asa avotra mirindra nisitrahan’ny tantsaha tohana, ny tosika fameno nizarana vola ho an’ireo ankohonana marefo. Ny asa vonjy aina tany amin’ireo toerana misy haintany sy tondradrano…
Tatiana A




