Feno 20 taona ny Piment Café Behoririka. Toy ny isan-taona, hankalazaina manomboka ny zoma alohan’ny Krismasy ny tsingerin-taonan’ity toeram-pialamboly ity. Hanokatra ny fotoana ny “Revy Samöela ranoiray”, ny zoma izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Efa zatra ny toerana nandritra ny taona maro na ny mpanakanto na ireo mpankafy azy. […]
Mois : décembre 2023
Krismasy sy faran’ny taona : manolotra fety sy fialamboly lehibe ny CUA
Nanomboka omaly 20 desambra ka hifarana ny 2 janoary 2024. Manolotra fety sy fialamboly lehibe ho an’ny rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely (Parvis), hahazo laka ny ankizy, mandritra ireo andro maro ireo. Tazana eny an-toerana ny «manèges», «gonflable», «cabane du père noël», fandefasana ireo […]
CRAAM Ankatso : mandranty ny haikantony ny We Art
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Centre de ressources des arts actuels de Madagascar (Craam ), Ankatso, omaly, ny fampirantiana «Harmony of Chaos». Ny haikanto an-tanàn-dehibe no hiranty eny an-toerana mandritra ny fotoana rehetra, ary ny We Art no haneho ny haikantony mandritra izany. Ny “Harmony of Chaos” izay tsy […]
Ambodifotatra- Sainte Marie : mitohy ny dingana fampidirana ho harembakoka ny eglizy
Fiangonana voalohany teto Madagasikara. Efa harembako-pirenena ary hangatahana ho harembakoka maneran-tanin’ny Unesco ny Eglizy katolika ao Ambodifotatra, Sainte Marie. Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’i Madagasikara. Ny Eglizy Katolika ao Ambodifotatra, any amin’ny Nosy Sainte Marie no trano fiangonana naorina voalohany teto Madagasikara. Vako-pirenena izy io, araka ny didim-panjakana laharana faha 83-170, […]
fankalazana ny Krismasy : anisan’ny ravaka tsy misaraka amin’ny fety ny hazonoely
Akaiky ny Krismasy, mandravaka ny tokantrano, amin’ny alalan’ny hazonoely sy karazana kilalao maro samihafa, ny olona. Natao hampifaliana ny ankizy ny tena antony mahatonga azy ireo manao izany. Andro sisa no isaina dia hiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny Noely na Krismasy ny firenena maneran-tany. Anisan’ny mankalaza izany ihany koa i Madagasikara. Fety natao hankalazana zava-baovao sy fiavian’ny mazava ny atao hoe Noely, raha […]




