Mois : décembre 2023

Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy: nahazo moto sy ordinatera ny rantsan’ny Ceni

Nidina ifotony tany Atsimo Atsinanana sy Fitovinany ary ny any Vatovavy ny delegasi­on’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama, ta­min’ity herinandro ity. No­tolo­rana fitaovana ireo rantsan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity any an-toerana. Anisan’iza­ny ireo moto sy ny ordinatera. Fotoana koa io nankasitrahana ireo rehetra nanomana sy nampizotra ny fifidianana teny […]

Raharaha Appollo 21: manohy ny fitsaboana ao Tsiafahy Rafanoharana Paul

Tsy marina ary tsy mitombina ireo vaovao niely ny amin’ny nandefasana an-dRafanoharana Paul any Frantsa. Mbola voatana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny tenany amin’izao fotoana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tsy main­tsy nentina nanaovana fizaham-pahasalamana teny amin’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie, ny tenany ny alatsinainy 4 desambra teo. […]

Governemanta: nametra-pialana halina

Nametra-pialana halina ny governemanta notarihin’ny praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny filan-kevitry ny minisitra voalohany, notarihin’ny filohan’ny Repoblika no nanaovany izany. Neken’ity farany rahateo ny fangatahana mba ahafahana miroso amin’ny fanavaozana sy ny ho fanatanterahana ny politikam-pampandrosoana napetrany nandritra ny fampielezan-kevitra. Mandrampivoaka izay mpikambana vaovao dia manohy ny asa fampandehanan-draharaha ny […]

Antenimieran’ny tanora miteny frantsay: Nitohy omaly ny fanadinana ireo solontena malagasy

Tontosa omaly ny fanadinana an-tsoratra fanampiny, ho an’ny mpiadina amin’ny fifaninanana Parlement francophone des Jeunes (PJF-2024), karakarain’ny Alliance française miaraka amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mbola hisy ny fanadinana sy ny sivana samihafa hamaritana izay tanora miisa roa, hisolotena an’i Madagasikara amin’izany PJF-2024 […]

Rakotomanana Richardson: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”

Ahoana ny amin’ny sosialim-bahoaka? Ani­san’ny fanambin’ny fitondrana amin’izao io. Eo koa ny amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana. Maneho ny fijeriny ny ta­len’ny Birao fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richard­son: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona no tena mahabe fitarainana ny vahoaka […]