Andohatapaneka : roa lahy tratra nangalatra bateria

Naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy roa tompon’antoka tamina halatra baterian-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha ireto jiolahy ireto. Tratra nangalatra bateria amin’ireo andrin-jiro amin’iny faritra Andohatapenaka iny ry zalahy ireto. Nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo mahazatra, teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Tamin’ny fotoana nandalovan’ny polisy, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 mn, no nahitana roa lahy mangady ny fototry ny andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nandositra avy hatrany izy roa lahy raha vantany vao nanatona ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanenjehana saingy tsy lasa alavitra dia tratran’ny polisy izy ireo. Nentina nanaovana famotorana teny amin’ny biraon’ny kaomisaria izy roa lahy. Nilaza izy ireo fa efa misy mpivarotra mpiray tsikombakomba mandray ny entana halatra. Tapitra, lasan’ireo mpangalatra avokoa ny bateria sy ny jiro mipetraka amin’ny andrin-jiro manazava ny lalana eny Andohatapenaka. Zary lasa mampitombo ny tsy fandriampahalemana izany.

J.C

Partager sur: