Mangarivotra – Faravohitra: vehivavy tapa-doha hita faty tao anaty gony

Nihorohoro ny mponina teny amin’ny fokontany Faravohitra Mangarivotra, omaly. Nisy nanary fatim-behivavy tanaty gony teny an-toerana. Tsy misy lohany intsony ny razana.

Nampihoron-koditra ! Fatim-behivavy iray no nisy nanary teny Fara­vohitra, omaly maraina. Mifa­totra ny tongony sy ny tanany, nofonosina lamba manify niaraka tamin’ny selofanina. Nasitrika tao anaty gony, nofatorana tao anaty kidoro « éponge ». Natsipy teo amin’ny lalana pavé akaikin’ny tamboho rarivato ny razana. Mpitsindroka fako vao maraina no nahita ilay fonosana. Nalaim-panahy nanokatra ny gony izy ireo. Hataraina ny azy raha nahita tongotr’olona tao anatiny. « Noheveriko fa entana nentina fiara latsaka teny an-dalana ilay fonosana, kanjo fatin’olona no tao anatiny », hoy ny fitantaran’ilay tovolahy mpitsindroka fako, nanaovana fanadihadiana teny an-toerana. Nampandre ny olona teny amin’ny manodidina izy. Fotoana fohy taorian’izay, vory ny olona. Tonga nanao fizahana ny razana ny polisy avy ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo, niaraka tamin’ny dokoteran’ny BMH. Hita nandritra ny fitsirihana fa vehivavy manodidina ny 30 taona eo ho eo izy.

Tany an-toeran-kafa…
Manao pataloha, tsy misy akanjo ny tapany ambony. Tsy nisy taratasy namantarana azy tany aminy. Nanaporofo ireo mponina eny Faravohitra fa tsy mipetraka eny ilay vehivavy novonoina. « Teo am-panokafana tsena vao maraina aho no nahita olona nitangorona nijery ilay razana. Fantapantatra ihany ny mponina ety Faravohitra fa tsy avy aty aminay io vehivavy io », hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray mpivarotra tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana.
Tombanan’ny mpanao fanadihadiana fa novonoina tany an-toeran-kafa io vehivavy io vao natsipin’ireo nahavanon-doza teny Mangarivotra. Somary mangingina rahateo ny toerana nanariana ny razana. Ahina ho niharan’ny fanolanana, raha ny fitsirihana ivelany. Ny valin’ny fanadihadiana no mamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha vonoan’olona ity.
Nilaza ho nahita fiara nirifatra nandeha mafy ireo mpitsindroka fako akaikin’ny Lycée Jules Ferry, omaly maraina.

J.C

Partager sur: