FIBD any Angoulême : Handray anjara i Dwa sy i Catmouse ary i Heri Shinato

Ambohipihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanaovana tantara an-tsary maneran-tany ny ao Angoulême, manomboka anio. Anisan’ny manana solontena hiatrika izany ny Malagasy.

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 28 ja­noary 2024, ao Angou­lême, Frantsa, ny « Festival international de la bande dessinée d’Angoulême » (FIBD), andiany faha-51. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra ho an’ny eo amin’ny tontolon’ny fanaovana tantara an-tsary. Manana solontena amin’izany isika Malagasy, amin’ny alalan’i Catmouse sy i Dwa ary i Heri Shinato. Fotoana miavaka ho an’ny mpiangaly tantara an-tsary ny FIBD, ahafahany maneho ny maha izy azy. Efa maro ny mpanao tantara an-tsary nandray anjara sy nisongadina nandritra ity hetsika ity. Anisan’izany i Ndrematoa izay sangany sy nanana ny naha izy azy teo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary fony fahavelony.

Fotoan-dehibe, ho an’ny eo amin’ny tontolon’ny haikanto fahasivy, indray ny FIBD. Mandray anjara amin’izany noho ny fiaraha-miasany amin’ny trano mpanonta boky Des Bulles dans l’Océan, izy telo mirahalahy ireo. Araka ny nambaran’izy ireo, miisa 8 ny tantara an-tsary haseho mandritra io fotoana io ho an’i Dwa. Anisan’izany ny “Un Gasy à Paris”, “Back to Al Bak”, “Grand Frère”… Miisa telo kosa izany ho an’i Catmouse, raha roa ny an’i Heri Shinato. Nanamafy kosa anefa i Dwa fa ho hita mandritra io hetsika lehibe io avokoa ireo tantara an-tsary malagasy natontan’ny Des Bulles dans l’Océan.
Fanararaotra goavana

Hetsika sy fotoana iray tena tokony hararaotina ity ho an’ny Malagasy mpikanto tantara an-tsary. Ny taona 1974 no niforona ny FIBD. Seho maro no mandravaka azy, ahitana fampirantiana, valandresaka arahina ady hevitra, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao. Araka ny nambaran’i Dwa, efa vonona tanteraka ireto solontena malagasy ireto hitondra ny sehatry ny tantara an-tsary sy hiaina izany fotoan-dehibe izany ary hihaona sy hifanerasera amin’ny mpanao tantara an-tsary maro samihafa avy amin’ny lafivalon’ny tany.

Lin

Partager sur: