Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny « Zoma ifampizarana », adihevitra tokony hotontosaina ny zoma izao, eny amin’ny Mozea ICMAA Isoraka. Noho ny fotoam-pahatsiarovana ny hetsika nisy teto amin’ny firenena no antony. Mbola vonona amin’ny fotoana manaraka koa ny pasitera Kotobesoa, hiresaka ny lohahevitra “Le “fatrange”, territoire des vivants et mémoire des morts ».
Handray ny fampirantiana « Miray an-tany », ny Is’art Galérie any Mahatazana. Sanganasan’i Finoana Ratovo no hampirantiana, maneho izay lohahevitra izay. Kanto marolafy, manomboka amin’ny hosodoko, ny sokitra, ny fampiarahana sokajy maro, sns. Manasongadina ny fifandraisan’ny olombelona sy ny toerana honenany ny sanganasa rehetra.
Handeha any Cologne, Allemagne, ny « Cher ancêtre », ny 25 septambra, mandritra ny “Afria Film Festival Koln”. Horonantsary fanadihadiana notontosain’i Lova Nantenaina izy ity ary efa nandray anjara tamina hetsika maro ho an’ny sarimihetsika, toy ny “Festival Visons du réel”, ny “Durban International Film Fstival”, sns. Niarahan’i Lova Nantenaina nanatontosa tamin’i Eva Lova-Bely izy ity. Maharitra 71 minitra ary miresaka ny hoavy tsy ho ela, taona 2067, any La Réunion.
Hiverina ao amin’ny Piment Café Behoririka ry Jeneraly. Rahampitso zoma 25 septambra indray ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fotoana hamerenan’ny tarika ireo hiran’i Gaby, izay tsy lefin’ny taona. Mbola eo hatrany ireo efa indray nihira taminy, ampian-dry Andy, ilay nandimby ny feon’i Gaby.Fikaonandoham-pirenena
Hiofana ireo « Trio » ho eny ifotony




