Fandraharahana: vonona hampandroso ny indostria malagasy ny UE

Hiara-kiasa akaiky ny Vondrona eoropeana (UE) sy ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Voalaza izany, nandritra ny fifanakalozan’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, sy ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeana, Isabelle Delattre Burger, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena manokana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny momba ireo mpanosika tetikasa matihanina (développeurs). Vaindohan-draharaham-panjakana hatramin’izay ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Nisy ny famoahana ny lalàna momba ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena, ny fandrafetana ny fifanekena miaraka amin’ny sehatra tsy miankina momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria. Ao ihany koa ny fananganana ny filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM). Nilaza ny minisitra fa efa napetraka ireo fitaovana entina hisarihina ireo mpampiasa vola sy ireo mpanosika tetikasa matihanina hanampy an’i Mada­gasikara eo amin’ny fampandrosoana. Vonona, hoy izy, ny rafi-panjakana hiara-kiasa amin’ny sehatra tsy miankina fa indrindra ireo vondrona iraisam-pirenena hanatsarana ny fandraharahana. Nanome toky ny ambasadaoron’ny UE fa hijery miaraka amin’ny MIC ireo développeurs sy manampahaizana manokana hitantsoroka ny asa fampandrosoana indostrialy sy hanatsarana ny fandraharahana ary ny fampiasam-bola eto amintsika.

Henintsoa H.

Partager sur: