Tonga nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, omaly, ny delegasiona avy amin’ny vondrona MADINTEX. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fifandraisana ana habakabaka sy an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Niompana betsaka teo amin’ny sehatry ny toekarena sy sosialy ny dinika. Tanjona ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fizahantany eo amin’ny firenena roa tonta. Hojerena manokana, noho izany, ireo paikady entina hampandrosoana ny toekarena sy sosialy, ny fiaraha-miasa, ary ny fifanakalozam-barotra eo amin’ny nosy roa tonta. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fitaterana an-dranomasina sy ana bakabaka, hoentina manatanteraka ireo tetikasa samihafa ireo. Manan-karena voajanahary miavaka maneran-tany sy azo trandrahina tsara i Madagasikara, toy voankazo sy legioma ary ny hazandrano samihafa. Tombony betsaka izany ho an’ny famatsiana ireo Nosy manodidina.
Henintsoa H.




