Hampiroboroboina ny fifanakalozana ara-barotra, sy ny fampiasam-bola ary ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Ireo ny tanjona napetraka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Chambre de commerce et d’industrie France Madagascar (CCIFM) sy ny Chambre de commerce et d’industrie France Maurice, omaly, tetsy Ankorondrano.
Ho fampandrosoana ny toekarena sy ho an’ny tombontsoan’ny firenena roa tonta ny anton’izany. Firenena manan-karena sy azo trandrahina tsara i Madagasikara raha toa manana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny sehatra samihafa i Maorisy izay azo hampivadiana amin’ny tontolon’ny fandraharahana ho fampandrosoana ny toekarena. « Tanjon’izao fifanakalozana izao ny hitadiavana fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa malagasy sy maorisianina », hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CCIFM, Razafindrabe Alain.
Hanampy ny Malagasy sy maorisianina mpandraharaha hahita lalam-barotra, mpiara-miasa na mpamatsy entana izany.
Vina
Firenena andalam-pandrosoana i Madagasikara, vina ny hampakarana ny harinkarena hihoatra ny 4,8%, ho an’ny taona 2024, raha toa ka manodidina ny 3% izany tamin’ny taon-dasa. Marihina fa miisa 95 ny firenena mpikambana ao amin’ny Chambre de commerce et d’industrie internationale, izay ahitana orinasa manodidina ny 9 000. Tanjona ny hampitomboana ny firenena vonona handraharaha eto Madagasikara.
Henintsoa Hani




