Ora-mikija: arahin’ny MTP maso akaiky ny lalam-pirenena

Miasa andro aman’alina ny minisiteran’ny Asa vaventy manarina ny lalam-pirenena simba vokatry ny oram-be. Manampy ihany koa amin’ny fanarenana ny toby fanariam-pako eny Andralanitra izy.

Arahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) maso akaiky daholo ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara, anisan’izany ny lalam-pirenena fahenina (RN 6) amin’izao fotoam-pa­havaratra izao. Anisan’ny faritra be rotsakorana ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy. Mitarika ny fanaraha-maso any an-toerana ny minisitry ny MTP, ny kolonely Andriana­trehina Andriamihaja Livah. Antony, hijerena ny mety ho fahatapahan-dalana, ny tany mihotsaka mba ahafahana mamaha ny olana avy hatrany.
Manentana ny mpampiasa lalana ny minisitera hanaraka ny fandaminana sy ny toromarika omen’ny tomponandraikitra, hisorohana ny loza. Marihina fa ezahin’ny MTP ny hisokafana ao anatin’ny 48 ora farafahatarany ny lalana iray raha sendra misy fahatapahana. Mitohy ny fanarenana ny simba, ankoatra ireo asa maika toy ny nanarenana haingana ny lalana tapaka tany Ankaramiely, ny herinandro lasa teo. Anisan’izany ny fahasimbana eo anelanelan’i Befotaka sy Antranonkarany, potika vokatry ny rivodoza tamin’ny taona 2023. Teo koa ny fanarenana ny sisin-dalana « dalot » miisa 20 eo anelanelan’i Marovantaza sy Antsohihy.
Manatanteraka ny asa maika amin’ny fanarenana sy ny fikojakojana any amin’ny RN6 ny orinasa Iso Construction.
Tsiahivina fa nametrahana tetezam-by ny lalana tapaka, nihotsahan’ny ranobe, vokatry ny oram-be, ny herinandro lasa teo, any amin’ny PK400, fokontany Ankaramihely, kaominina Ankarimbe, distrika Analalava, faritra Sofia.

Andralanitra
Ankoatra ireo, nanomboka ny 19 janoary teo ny fanampian’ny MTP ny fanarenana ny eny amin’ny toby fanariam-pako Andralanitra. Efa vita ny asa, ampahany voalohany, nanesorana ny fako sy ny fotaka. Dingana faharoa ny fanamafisana ny lalana, norarahana vato, ka efa afaka mivezivezy ny fiarabe mpitatitra fako.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: