Mois : janvier 2024

Minisitra Razakaboana Hanitra : “Hodiovina ny asam-panjakana”

Nandray ny asany, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehana. “Maika ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny asam-panjakana, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanadiovana amin’ny fidirana eo anivon’ny asam-panjakana. […]

Fiovana anarana – MFA : «Fametrahana lanja ny fiaraha-mientana», hoy ny Jly Sahivelo

Tafika maoderina, tafika manana ny maha izy azy, reharehan’ny vahoaka ao aminy sady afaka manampy ny vahoaka amin’ireo ambana rehetra mety hitranga, hoy ny MFA, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin Tontosa teny Ampahibe, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny […]

INDRAY MIJERY

Natao teny amin’ny fokontany Andraisoro ny fandraisana ny fanehoan-kevitr’ireo mponina, entina hanatsarana ny tanàna mahakasika ny tetikasa «pépinière urbaine». Tanjon’ny tetikasa ny fanamboarana sy fanatsarana ireo toerana iombonana eny amin’ny fokontany. Iaraha-miasa amin’ny CUA, ny GRET, ny Cabanon vertical ary ny Agence française de Développement ny tetikasa. Nanomboka ny taona […]

Boeny, Sofia ary Diana : hahery vaika ny onjan-dranomasina

Nampitandrina amin’ny ala­lan’ny loko mavo ny mpamantatra ny toetry ny andro ho an’ny morontsiraka Boeny, Sofia ary Diana amin’ny fisi­an’ny rahom-baratra matanjaka. Any amin’ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan’ny tanjona Vilanandro (Besa­lampy) no misy izany rahom-baratra izany. Manakorontana ny toetry ny andro ny fisiany ary mahatonga ny oram-baratra mitsitokotoko […]

Boriborintany I sy III: nifarimbona nanadio ny mpiara-miasa

Ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana nanao fanadiovana faobe ny mpiasan’ny boriborintany voalohany sy fahatelo. Nodiovina ireo toerana manakaiky tsena, ny lalan’ny mpandeha an-tongotra… Nampahatsiahivin’ireo delege eo anivon’ny boriborintany, nandritra ny hetsika, fa manana andraikitra amin’ny fahadio­van’ny tanàna avokoa ny rehetra, na ny mpampiasa lalana, na ny mpivarotra na ny mpiantsena, […]