Vita ny zoma 12 janoary teo ny fametrahana tetezam-by voanjimaika (pont modulaire) eny amin’ ny lalam-pirenena voalohany (RN1), PK 104+800, eny Antanetimboahangy, kaominina Analavory. Vokatry ny orambe nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro no nampalemy ny fotodrafitrasa, ka nametrahana haingana ity tetezana ity. Zana-trondro miisa 14 600 sy renin-trondro 53 no […]
Mois : janvier 2024
Minisiteran’ny Tontolo iainana : «Tsy maintsy miasa haingana», hoy ny minisitra Max Fontaine
Tsy niandry ela ! Natao omaly tolakandro, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) vaovao, Max Fontaine, sy ny teo aloha, Rtoa Vina Marie Orléa. Nisaotra ny minisitra nodimbiasany sy ny mpiara-miasa aminy ny minisitra Max Fontaine. Efa niara-niasa rahateo izy mianadahy, eo amin’ny tetikasa […]
Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA): hampitombo ny famatsian-jiro ny foibe Ambohimanambola
Hisy fivoarany goavana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Hanana ny famokarany manokana ho azy ny Jirama eny Ambohimanambola. Manan-danja amin’ny fandraharahana ara-toekarena eto Antananarivo ny famatsiana amin’ny herinaratra. Anisan’ny paikady nofaritan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ny hanitarana ny foibe mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika eny Ambohimanambola. Hampiakatra ny […]
TARATRY ny KANTO
“Concert classique de midi”. Volana vitsy izay no niova ho talata atoandro ity andiam-pampisehoana ity. Anjaran’i Rindra Ramarosandratana indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny IFM Analakely anio, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Mpitendry piano klasika efa manana ny toerany izy. Nivoaka tamin’ireo sekoly ambony mampiofana mozika tany ivelany ary mahafehy tsara […]
«IFFR 2024»: handray anjara ny sanganasan’i ‘Hachimiya Ahamada
Anisan’ny handray anjara amin’ny “Festival international de film Rotterdam” (IFFR) ny sarimihetsika «Zanatany, L’empreinte des linceuls esseulés» an’i ‘Hachimiya Ahamada. Sarimihetsika maneho ny zava-nisy tany amin’ ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ny nosy Comores, ny taona 1976. Sambany handray anjara amin’ny hetsika lehibe izy ity. Ny IFFR izay […]




