Mois : janvier 2024

Basikety 3×3 : nahazo mpandrindra tsirairay ny ligy 21

Ho fampiroboroboana ny taranja basikety 3×3 eto Madagasikara, nasiana mpandrindra tsirairay ny ligim-paritra manerana ny Nosy miisa 21, amin’ity taranja ity. Andraikitra maro ny miandry ireo tomponandraikitra voatendry ireto, taorian’ny fiofanana izay noratoviny. Tsiahivina fa niatrika fiofanana nampitain-davitra izy 21 mianadahy voatendry ireo, tamin’ilay tetikasa “Se la rue vers…l’or”. Mbola […]

Resampa André Haja : Voatendry fanindroany ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena

Anisan’ny minisitra mbola voatazona ao anatin’ny governemanta malagasy, ny minisitra Resampa André Haja, misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy niova fa voatendry fanindroany indray hisahana ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, araka ny fanendrena natao teny amin’ny Lapan’Iavoloha, omaly 14 janoary. Mbola nametraka fitokisana taminy ny […]

Sombim-baovao

Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can), taranja baolina kitra, tanterahina any Côte d’Ivoire. Andriatianarivelo Dimbiniaina no Malagasy iray nosafidin’ny Caf ho anisan’ireo mpitsara, mandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa hifarana ny 11 febroary ho avy izao ny “Can 2023”. Taorian’izay dimy volana tsy niakarana […]

Atletisma – Cross country : ho any Chili i Jean-Claude

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny bout de piste Ivato, ny hazakazaka cross country, nifantenana izay hi­solo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024. Nandrombaka ny fandresena Rakotonirina Jean-claude, atle­ta avy amin’ny Crown Vakinankaratra, rehefa nahatontosa ny hazakazaka tao anatin’ny fe-potoana, 33 mn 09 s 3%. […]

« Grand Tournoi d’Antananarivo »: norombahin’ny Disciples FC ny lelavola 20 tapitrisa Ar

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”. Nalain’ny Disciples FC Vakinankaratra ny volabe. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By Pass, ny lalao famaranana, fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Azon’ny Disciples FC Vakinankaratra « PFL », ny lelavola 20 […]