Mois : janvier 2024

Morontsirak’i Madagasikara: Sambo 23 manara-maso ny jono tsy ara-dalàna

Manana sambo miisa 23 ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPEB), entina hanarahana maso ny sehatry ny jono eto amintsika. Fantatra fa tsy nisy afa-tsy roa monja izany tany aloha, nentina niadiana tamin’ny jono tsy manara-dalàna. Miparitaka manerana ny morontsirak’i Madagasikara ireo sambo miisa 23 ireo, tantanin’ny […]

Banky Iraisam-pirenena: Karohina ny hanafoanana ny fahantrana

Miezaka mametraka vina hanafoanana ny fahantrana ao anaty tontolo azo iainana ny Banky iraisam-pirenena. Araka ny tatitra nataony ny fiandohan’ny taona 2024 teo, karohina ny paikady vaovao iarahan’ny rehetra, indrindra ny sehatra tsy miankina Mametraka fanamby vaovao ny Banky iraisam-pirenena, mba hisian’ny fampandrosoana mahomby, ho an’ny rehetra ary afaka miatrika […]

TARATRY ny KANTO

Fanomezam-boninahitra an’i Ndrematoa no hanokafan’ny IFM Analakely ny andiana hetsika ao aminy amin’ity taona ity. Fampirantiana ny sanganasan’ity mpanao tantara an-tsary sy sariitatra vao nodimandry volana vitsy ity no hatao manomboka anio hatramin’ny faran’ny volana janoary. Niasa aman-taonany tao amin’ny IFM ny tenany, ka misy mifamatotra amin’ny toerana ireo sanganasany […]

« Prix Paritana » : Miditra amin’ny andiany fahavalo ny fifaninanana

Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2024 ny fandraisan’anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany faha-8. Ny Fondation H, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ami­ny no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana natao ho an’ny Malagasy mpahay kanto sy monina eto Madagasikara ny hetsika. Tanjona ny hanomezana tosika sy fampivelarana azy […]