Mois : janvier 2024

Soa ny lavo…

  Miavaka kely amin’ny mahazatra ny dingana arahina amin’ny fanendrena izay ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Tsy manana herijika hidirana an-tsehatra ireo misora-tena ho tandapa sy tompom-pahefana zatra nanjakazaka. Misary tsotsotra ny birao handraisana ny tahirin-kevitra ho an’ny «mpifaninana». Henjana anefa ny fanaraha-maso avy aty ambadika. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao, […]

TSELATRA

Olona 11 naratra niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Miandrivazo, afakomaly maraina. Nisedra olana teknika ny fiara ka namantana tamin’ny trano fisakafoana amoron-dalana. Naratra mafy ny mpamily. Efa manaraka fitsaboana izy sy ireo mpandeha hafa naratra. Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao Ambohimasina Arivonimamo, ny sabotsy 6 janoary teo. Nandeha nanao asa […]

Mpisoloky voasambotra: milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ny lehilahy iray misoloky ho mahatafiditra mpiasam-panjakana. Efa am­am-bolana maro no nilazany fa mahatafiditra mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola izy. Maro ny fitoriana voarain’ny zandary momba azy. Fotoana maro ihany koa no nangalarany sy nisolokiny volan’olona noho io […]

Nanakorontana : lehilahy roa tratra tao anaty hotely

Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Antsiranana, omaly, ny lehilahy roa tompon’antoka tamina fanakorontana tao anaty hotely iray any an-toerana. Nanatanteraka asa toy ny fanaony isan’andro ny polisy amin’ny fanaraha-maso ny trangana tsy fandriampahalemana ao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fisiana trangana fanakorontanana tao amina trano fandraisam-bahiny iray. Tsikaritry ny polisy tamin’izany […]