Mois : janvier 2024

Tetikasa “JMCT” : paikadin’ny sekoly teknika sy ny tsy miankina

Ao anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail, JMCT” iarahan’ny AUF sy ny Université Trois rivières ary ny kanadianina, ny fampiakarana ny tahan’ny mpianatra mivoaka amin’ny sekoly teknika sy fanofanana arakasa hahita asa sy hahafehy avy hatrany ny fiofanana norantoviny. Misy sehatra telo ao anatin’izany ka iray amin’ireo ny fampiofanana […]

Ambohimanambola: hanavao ny tanàna ny Mitia Soa

Nihaona tamin’ireo herivelona tao an-tanànan’Am­bo­himanambola ny fikambanana Mitia Soa tamin’ity herinandro ity. Nivoitra tamin’izany ireo tena maharary ny mponina: ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahampian’ny rano madio fisotro. Nilaza ny filoha mpanorina ny fikambanana, Nofinirina Tinasoa Andrianasolo, fa tafiditra ao anatin’ny vinan’izy ireo ny hanarina ny tanàna, indrindra hitondra […]

Holafitry ny infirmiera : niala tanatin’ny holafitr’ireo matihanin’ny fahasalamam-bahoaka

Betsaka ny olona manao ny asan’ny infirmiera manerana ny Nosy noho ny tandrevaky ny tomponandraikitra. Vokany, hiala tsy ho mpikambana ao anatin’ny fiombonan’ny holafitry ny sehatrasa fahasalamana ny infirmiera. Notanterahina teto An­tananarivo ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny Holafitra nasionalin’ny infirmiera sy ny bi­raom-paritra 23. Nanao fa­nambarana ny filohan’ny holafitra, Andrianarison […]

MJS : hanohana ny vinan’ny Tily Madagasikara

Naneho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny vinan’ ny Tily Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ny minisitra, Resampa André Haja izany, ny sabotsy lasa teo. Nanararaotra ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Tily, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­ma­sina, izy nilazana izany. Vinan’ ny Tily ny hanangana orinasa 100 amin’izao faha-100 […]

“Can” – Ampahavalon-dalana: hifanandrina ny tompon-trano sy ny tompondaka

Notontosaina nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalana fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika «Can 2023», taranja baolina kitra, izay atao any Côte d’Ivoire. Raha ho an’ny anio, hihaona amin’ny Eléphant, Côte d’Ivoire, mpampiantrano, ny Lion de la Teranga Sénégal, tompon­daka farany. Tsiahivina fa anisan’ireo firenena voasokajy ho laha­rana fahatelo […]