Fandresena ho an’ny Malagasy maneran-tany! Noho ny fanohanana an’i Anisha Jo amin’ny lalany eo amin’ny mozika mantsy no nahazoany ny voalohany tao amin’ny sokajy “Projet coup de Coeur 2023”, nandritra ny “Africia Music Award”. Nifarana afakomaly ny fisafidianana tao amin’ny Instagram, izay nahazoany vato maherin’ny 80% tamin’ireo mpifidy. Satria tetikasa […]
Mois : janvier 2024
Fampiasana ny sanganasany : nahazo alalana tamin’i Ninie Donia i Farah John’s
Alalana feno sy ara-dalàna no azon’i Farah John’s amin’ny fihirana sy fampiasana ny sanganasan’i Ninie Donia. Nitondra fanazavana sy fanamarinana mahakasika izany izy. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny mahakasika ny fihirany ny hiran’i Ninie Donia, ny mpanakanto Farah John’s, omaly, teny Ampasika. « Efa ela i Ninie Donia […]
Fahasembanana ara-batana : Razanapaly Tojo, niezaka ary hankalaza ny faha-10 taonan’ny orinasakeliny
Anisan’ny olona manana fahasembanana niezaka sy nioitra teo amin’ny fiainany Razanapaly Tojo Hajanirina. Antony nandrisika azy tamin’izany ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana nataon’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona. Fanondroana ny olona manan-takaitra hatrany am-bohoka na azo taty aoriana ny atao hoe sembana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna 97- 044 mahakasika […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaona ny faran’ny herinandro teo indray ny Vondron’ny kandidà. Tsy nisy nipika ny dinika nifanaovan’izy ireo. Na izany aza, voalaza fa tafiditra amin’ny fanohizana ny tolona hatrany izao fihaonana izao. Nandefa solontena ny kandidà sasany amin’izy 11 mianaka. Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ireo loholona, omaly. Nitarika izany ny filohany, […]
Fididianana : tsy hanaiky famitahana intsony ny TGV
“Tamin’ny 2018 izahay no mety voafitaka”, hoy ny sekretera nasionaly faritany Antananarivo, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy ny depiote. Na kandidà niaraka tamin’ny TGV aza tamin’izany, any amin’ny toerana fahadimy na fahatelo tamin’ny voka-pifidianana. Amin’izao kosa, tsy ho voafitaky ry zareo intsony fa […]




