Mois : janvier 2024

Voka-panadinana – CNtemad: tsy maintsy atao ny fampitahana ny naoty

Fomba fiasa vaovao no entina ao amin’ny CNtemad hisian’ny mangarahara amin’ny voka-panadinan’ny mpianatra. Tsy maintsy ampitahana ny naoty sao misy tsy itoviany ka mandiso zavatra betsaka. Fanapahan-kevitra vaovao noraisina ao amin’ny CNtemad ny tsy maintsy hampitahana ny naoty anatin’ ny taratasim-panadinana sy izay voarakitra ao amin’ny «relevée des notes» an’ny […]

Tetikasa « PTASO »: hitsangana ny fotodrafitrasa maro ao Atsimo Andrefana

Hanangana fotodrafitrasa maro toy ny trano fitehirizam-bokatra miisa efatra, fanamboaran-dalana any ambanivohitra mirefy 50km, fanarenana ny biraon’ny Fitantanam-paritry ny indostria ary fananganana tsena roa ho an’ny vokatry ny fiompiana PTASO. Ireo rehetra ireo no entina manatanteraka ny tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsi­mo […]

Aretina mpahazo ny vary: miparitaka amina faritra dimy eto Madagasikara

Anisan’ny toerana ahitana ny BLB ny faritra Analaman­ga, Vakinankaratra, Menabe, Alaotra Mangoro. Misy ihany koa santionam-bokatra avy any amin’ny faritra Diana sy Anôsy voarain’ireo mpikaroka hotsirihina, hoy hatrany fanazavana. Notohizany fa mbola hisy ny fidinana ifotony atao any Marovoay hijerena ny voka-bary any an-toerana raha toa ka misy bakteria. Mamely […]

Jono: 600 tapitrisa isan-taona ny filàna zana-trondro

Mbola ambany ny tahan’ny famokarana zana-trondro eto amintsika raha oharina amin’ny filàn’ny firenena. Tafakatra hatrany amin’ny 600 tapitrisa isan-taona izany ho an’i Madagasikara raha toa ka manodidina ny 40 tapitrisa eo no vokarintsika amin’izao. Tonga tao Brickaville nijery ny ivontoerana famokarana zana-trondro (ecloserie) tilapia, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry […]