Mois : janvier 2024

Vary simba : naato ny fanenjehana ireo mpandraharaha

Nisy fivoriana nataon’ny fiombonan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Toama­sina, notarihin’ny prefet, ny 15 janoary, mahakasika ilay ra­haraha vary simba. Nanatrika tao koa ireo teratany vahiny, mpanafatra entana ilaina andavanandro (PPN) avy any ivelany, izay saika izy ireo no tena maro, 90%, miampy Malagasy mpandraharaha. Nampahatsiahivin’ny tonian’ny fampanoavana […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita omaly, ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe eny Mandroseza. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely, araka izany, ny famatsian-drano any amin’ireo toerana nisian’ny fahatapahana. Mampa­hatsiahy ny Jirama fa misy fiovany ny lokon’ny rano aorian’ny fahatapahana toy izao, ka tokony halefa elaela ny paompin-drano aloha. Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny Sampan­draharahan’ny ladoany eny amin’ny seranan’Ivato […]

RN1-Antanetimboahangy: miverina ny fifamoivoizana

Nihotsaka vokatry ny orambe ny tany nitaty ilay tetezana vonjimaika (pont modulaire), eo amin’ny PK 104+800 any amin’ny lalam-pirenena RN1, napetraka tany Antane­timboahangy Analavory, ny herinandro lasa teo. Tsy niandry ela, nidina tany an-toerana avy hatrany ny ekipan’ny Vonjitaitra (DAU) ao minisiteran’ny Asa vaventy, ny sabotsy 20 janoary teo. Nohamafisina […]

Tetikasa « Ankohonana miarina »: natomboka any Itasy ny fizarana tany hamokarana

Nitondra vahaolana, hamahana mivantana ny fahantrana eny ifotony ny filoha Rajoelina. Napetraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” hananganana tanàna vaovao, hanomezana tany sy trano, kojakojam-pambolena, biby fiompy. Nosantarin’ny filoha Ra­joelina tany amin’ny faritra Itasy ny tetikasa «Ankohonana miarina». Nam­barany fa «mahantra ny Ma­lagasy kanefa hitako mavitrika, ka mendrika tohanana». Mirefy 53 […]

Antehiroka : lehilahy iray hita faty tao anaty tanimbary

Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tanimbary anatin’ny fokontany Ankadivory, kaominina ambanivohitra Antehi­roka, distrikan’Ambohi­dra­tri­mo, omaly maraina. Nam­pandre ny vaovao tany amin’ny polisy miasa eny an-toerana avy hatrany ny sefo fokontany, fa misy lehilahy iray tsy nisy aina intsony, natsingevan’ny rano teny amin’io an-tanimbary io. Nidina nijery ny zava-nisy avy hatrany ny polisy, […]