Jiolahy roa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy sabatra ary antsy avy nanafika Cash point no lavon’ny balan’ny polisy tao Antaravay Toliara, ny zoma teo. Naharay fitarainana ny polisy ao Antaravay miasa eo amin’ny sakana Antsokobory, ny zoma hariva, fa misy vehivavy iray tompona Cash point ao Anketa norobain’ny jiolahy telo […]
Mois : janvier 2024
Mahamasina : tovolahy maty notrongisin’ny taxi-be
Ninia nohitsahina! Tapitra ny ain’ny lehilahy iray nitondra moto notrongisin’ny mpamily taxi-be 154, afakomaly alina. Niendaka ny hoditra, rovitry ny arabe ny ilam-batan’ny mpitondra moto iray tetsy amin’ny “Bazar de quartier” Mahamasina, ny harivan’ny sabotsy 20 janoary teo. Notaritaritin’ ilay taxi-be niala 200 metatra ny toerana nijanonany io lehilahy io. […]
INDRAY MIJERY
Nanaovan’ny Filoham-pirenena tsindrim-peo ny mahakasika ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ianaran’ny zaza malagasy. Hitohy, araka izany, ny fananganana ireo fotodrafitrasa mendrika sy manara-penitra manerana ny Nosy, satria manan-jo hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny mpianatra. Irosoana maika ny fanitarana ny haratonaina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana, hoy hatrany ny […]
Fiofanana Call Center : 200 ireo tanora hisitraka ny andiany voalohany
Misokatra ho an’ny tanora tsy ankanavaka manerana ny Nosy ny fiofanana omen’ny fanjakana mikasika ny Call Center izay asa miroborobo tanteraka eto Madagasikara. Mikasika ny fomba fitantanana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny antso an-tariby no hiompanan’ny fiofanana. 200 ireo tanora kendrena hisitraka izany fiofanana izany amin’ity andiany voalohany ity, araka […]
Rotsakorana: tsy afa-bela ny faritr’ i Diana sy Sofia
Hitohy ao anatin’ny efatra andro ny rotsakorana matevina any amin’ny faritr’i Diana sy Sofia, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Ankoatra ny sisan-drahona tamin’ilay oram-baratra dia matanjaka ihany koa ny talio sy ny Zone de convergence inter-tropicale (ZCIT) any amin’iny ilany avaratra andrefana iny. Mila mitandrina […]




