Arivonimamo : dahalo telo voasambotra

Vehivavy iray sy dahalo roa lahy voasambotra ny mpitandro filaminana tao Amba­tomanga, distrikan’Arivoni­ma­mo, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mihazona basy tsy ara-dalàna izy mivady ireo. Nosavaina ny trano fonenany ka tratra tao ny kavin’omby am-polony sy ny taratasin’omby maromaro. Tsy nisy nifandraisany tamin’ireo kavin’omby ireo taratasy ireo. Naha­trarana basy natao tanana niampy fitoeram-bala. Natao famotorana, nitoroka ny dahalo iray mpiara-miasa aminy izy mivady. Nanao­van’ny zandary vela-pandrika io dahalo io ka noraisim-potsiny tao amin’ny fokontany Manantenabe, kaominina Ambatomanga. Efa naira-nanao io asa fangalaran’omby io hatry ny ela izy telo ireto. Mitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: