« Can 2023 » : hifanandrina i Nigeria sy i Angola

Efa fantatra avokoa ireo firenena hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny “Can 2023”, atao any Côte d’Ivoire. Hanokatra izany voalohany ny fihaonan’i Nigeria sy i Angola.

Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Le Felicia Côte d’Ivoire, ny fihaonana eo amin’ny Super Eagles, Nigeria sy ny Pa­lancas Negras, Angola. Ta­fiditra amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny am­boaran’i Afrika (Can 2023) ity atao ity. Ny ekipa nasionaly nizerianina, nanilika an’i Ca­meroun tamin’ny isa 2 no ho 0, nandritra ny ampahavalon-dalan’ny fifanintsanana. Lavon’i Angola, 3 no ho 0, kosa i Namibie, tamin’izany.
Tsara ny mampahafantatra fa indray mandeha nihaona ihany ny roa tonta tany amin’ny taona 2018. Resin’i Nigeria 1 no ho 0 i Angola, tamin’izany fotoana izany. Raha ny fikarohana natao, hotolorana lelavola 250 000 dolara ny ekipa nasionaly angoley raha mandresy ny nizerianina, miampy finday IPhone 15 iray avy.

Hanala vela amin’ i RD Congo i Guinée

Ankoatra izay, hifandona i RD Congo sy i Guinée. Fi­haonana hotontosaina anio amin’ny 11 ora alina, ora eto amintsika, ao amin’ny kianjan’ny Allassane Ouattara Côte d’Ivoire. Mbola manala vela ny ekipa nasionalin’i Guinée amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Niondrika teo anatrehan’ireo mpilalaon’i RDC tamin’ny isa 3 no ho 1 izy ireo, ny taona 2017. Tsara marihina fa hatao ny alarobia 7 febroary ho avy izao ny lalao manasa-dalan’ny “Can 2023”.

Fitia Randria

Fandaharan-dalao

Zoma 02/02/2024 :
8 ora alina : Nigeria vs Angola
11 ora alina : RD Congo vs Guinée

Sabotsy 03/02/2024 :
8 ora alina : Mali vs Côte d’Ivoire
11 ora alina : Cap Vert vs Afrika Atsimo

Partager sur: