Fandorana vary tany Toamasina : « Tsy manaraka ny fepetra », hoy ny fampanoavana

Nisy vary lo hafa indray, 20 kitapo, tratra tany Mangarano Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanaraka ny fepetra ny fandorana ireo vary ireo, raha ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana.

Nanamarina ny zandarimaria ao Toamasina, fa nisy vary simba sy lo, tratra tao amin’ny trano fitahirizana an’ny teratany indo-pakistaney eny Mangarano, ny faran’ny herinandro teo. Nandray fepetra nandoro azy ireo avy hatrany ny tompony teo imason’ny zandary, ary nisy telo lahy nosamborina. Nanazava ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRICC) Toamasina, Belalahy Berchmas, fa tsy nahafantatra ity raharaha ity. Tsy misy afaka misitraka entam-barotra fihinana raha tsy ity sampandraharaha ity ihany, ataon’ny inspektera ao amin’izy ireo. Tsy mbola nahazo tatitra ihany koa ny DRICC, hatramin’ny 31 janoary teo.
Etsy ankilany, nilaza ny tonian’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana Toamasina, Vahiny Yves Sandro, fa tsy mbola nahazo tatitra avy amin’ny zandary koa ny tenany, fa ny mpanao gazety no nahenoany ity raharaha ity. Aminy, ahina ny fifanintsahana an­draikitra ka mety tsy voahaja ny rafitra isan’ambaratongany. Tsy nanaraka ny fepetra tokony ho narahina ny fandorana ireo vary ireo avy hatrany. Tokony hisy ny fitiliana ataon’ny Institut Pasteur, ka hamoahan’ny minisiteran’ny varotra taratasy milaza fa tsy azo ohanina ireo vary ireo.

Hiantso ny OPJ rehetra
Manoloana ireo, nambaran’ny tonian’ny Fampanoavana fa hanahirana ny hilazana ny fiampangana ireo telo lahy nosamborina. Nohamafisiny fa samy manana ny mpanadihady ara-pitsarana (OPJ) ny mpitandro filaminana (zandary sy polisy), ny ao amin’ny minisiteran’ny Varotra, ny Tontolo iainana, ny Ladoany, mikaroka ny fandikan-dalàna. Ary samy afaka mandefa ny fanadihadiana any amin’ny fitsarana. Hiantso ireo OPJ rehetra eto Toamasina ny tonian’ny fampanoavana amin’ny herinandro ho avy izao.

Sajo

Partager sur: