Nahatratra 100 tapitrisa dolara ny renivola novidian’ny vondrona orinasa fifandraisan-davitra Airtel Afrika. Nitombo ny isan’ny mpanjifa, sady nahomby ny fifanakalozam-bola.
Nitombo 9,1% ! Tafakatra 151, 2 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny vondrona Airtel Afrika tamin’ny taom-piasana 2023. Nahatratra 62,7 tapitrisa ny mpanjifa mampiasa ny tolotra, raha 37,5 tapitrisa ny mampiasa ny fifanakalozam-bola. Nampiakatra 41,3% ny tahan’ny fifanakalozana eo amin’ny tsenam-bola, nitentina 116 miliara dolara, nampitombo 20,2% ny vola nokirakiraina. Raha aravona, nahatratra 3,961 miliara dolara ny vola nokirakiraina, nitombo 18,3% ny vola niditra ho an’ny fifandraisan-davitra amin’ny finday. Nitombo 31,8% ny fifanakalozam-bola amin’ny finday.
Misy ny elanelana, amin’ny zanabola, ny hetra, ny fiantraikan’ny fidinan’ny sandam-bola ary ny famerenana ny masonkarena antsoina hoe EBITDA*. Nitombo 21,9% izany ny taona 2023, nitentina 1,908 miliara dolara. Tafakatra 2 tapitrisa dolara ny tombombarotra, efa nanalana ny hetra. Nitentina 330 tapitrisa dolara kosa ny fatiantoka manokana, vokatry ny fitotongan’ny sandam-bola Naira tany Nizeria (misy ny foiben’ny Airtel Africa) ny jona 2023, sy ny Kwacha any Malawi, ny novambra 2023.
Hamafisina ny fitomboana
Nampiana 494 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ny taona 2023, izay nitontaly teo anelanelan’ny 800 hatramin’ny 825 tapitrisa dolara ny fitambarany novinavinaina. Mahatratra 550 tapitrisa dolara ny trosan’ny vondrona orinasa, ka tapitra amin’ny mey 2024 ny fe-potoana hanefana azy. Mitentina 560 tapitrisa dolara ny tahirimbolan’ny Airtel Africa tamin’ny faran’ny taona 2023 teo, ary efa niomana ny handoa ny trosa amin’ny fe-potoana farany.
Hividy renivola hafa ny orinasa amin’ny marsa 2024, mitotaly 100 tapitrisa dolara. Mitentina 57 tapitrisa dolara ny fiaraha-miasa amin’ny Unicef, ho an’ny fanabeazana hatramin’ny taona 2027. Misy koa ny miompana amin’ny tontolo iainana, Scope 3. Nofintinin’ny tale jeneralin’ny orinasa, Olusegun Ogunsanya, fa tanjona hatrany ny hisian’ny fitomboana, satria matanjaka ny fomba fiasa na eo aza ny olana samihafa.
Njaka A.
*EBITDA : Earings Before Interest, Taxes, Depreciation and Amortization




