INDRAY MIJERY

3 tapitrisa ny isan’ny olona mahazo tombontsoa amin’ny tetikasa « Mionjo », ho an’ny faritra telo any Atsimo. Kaominina 234, anatin’ny distrika 14, no voakasika amin’ny fanohanana ny mponina hiarina hiatrehany ny voina samihafa. Nanomboka ny taona 2022 ary hifarana ny taona 2025 ny tetikasa, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.

EPP efatra any Androy no mandray anjara amin’ny fifaninanana momba ny sakafo “Tsikonina”, karakarain’ny Firenena mikambana, anatin’izany ny Unicef. Vokatra misy any an-toerana no ampiasaina, toy ny trondro, ny henan’omby, ny vomanga, ny mangahazo,… ary raketa. Misongadina ny talentan’ny ankizy amin’ny fikarakarana sakafo ara-pahasalamana.

Manana ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny polisy monisipaly. Anisan’izany ny fanekena ny fanakihanana sy ny fahavononana ny hahitsy, ny fahadiovana, ny filaminan’ny tanàna, ny fiarahamonina ary ny fandriampahalemana. Mitaiza, manabe, mampahafantatra, manentana… izay vao manasazy raha ilaina izany.

Nigadona ao Toamasina, omaly, ny Sambo Mercy Ships. Hiantsona mandritra ny 2 taona ka hanatanteraka fandidiana maimaimpoana izy io. Hisy ny fandaminana amin’ny fisoratana anarana ho an’ireo mila fitsaboana. Maro ny tombontsoa amin’ny fandalovan’ity sambo lehibe ity toy ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa, ny fiofanana ho an’ireo mpianatra mpitsabo eto an-toerana.

Partager sur: