Mitohy ary hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena. Ho hamafisina ny fidinana ifotony manerana ny tsena ka handraisana fepetra ireo minia mandika lalàna. Noho izany, hiara-hientana amin’ny fanabeazana ny mpanjifa sy amin’ny fitsirihana eny an-tsena ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny mpanara-maso avy amin’ny minisitera. Hatsaraina ireo hetsika fiarovana ny mpanjifa, io no tapaka nandritra ny fivoriana niarahan’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC), ny foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) ary ny fitantanam-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRICC) eto Analamanga. Tanjona ny hiarovana ny mpanjifa manoloana ny fiovaovan’ny vidin’entana sy ny fanararaotana samihafa ataon’ireo mpivarotra toy ny fampiasana ny fitaovam-pandanjana.
Vonona
Naneho ny fahavononana hiara-hisalahy amin’ny minisitera ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa nandritra ny fikaonandoha tetsy Ambohidahy, omaly. Noresahana nandritra izany ny ho fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ity taona ity. « Vahaolana maharitra ny tanjona amin’ny fiaraha-mientana matotra hatramin’izay ka hatramin’izao », hoy Razafindralambo Andry Vola, filohan’ny fikambanana PMH (mPanjifa Miray Hina).
Henintsoa Hani




