SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny JEA no solontenan’ny ligin’i Vakinankaratra amin’ny fifaninanam-paritra «  De la Rue vers l’Or », taranja basikety 3 x 3, sokajy vehivavy U23. Fifaninanana hotanterahina manomboka ny 16 hatramin’ny 18 febroary ho avy izao, eto Antananarivo.

Tanterahina nanomboka ny 30 janoary lasa teo, any amin’ny faritr’i Boeny, ny fanofanana mpanazatra, taranja baolina kitra. Miisa 45 mianadahy izy ireo no miatrika ity fiofanana ity. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny ligy any an-toerana ny hetsika. Tsiahivina fa maharitra dimy andro ity fiofanana ity.

Nanapa-kevitra ny tsy hilalao amin’ny sehatra matihanin’ny taranja basikety intsony i Marc Gasol, espaniola mpilalao. 39 taona ny tenany amin’izao fotoana. Tsiahivina fa efa nahazo ny amboara maneran-tany « Mondial » sy ny eoropeanina ny tenany. Tsara ny mampahafantatra fa tao amin’ny klioban’ny Gérone izy no nilalao farany.

Mandeha ny resaka any Espagne fa mety hifindra ao amin’ny klioban’ny Real Madrid i Kylian Mbappé, Frantsay mpilalao baolina kitra. Raha ny fikarohana natao, tsy hanavao ny fifanarahana amin’ny klioba Paris Saint Germain France intsony ny tenany. Andrasana amin’ity volana ity, araka izany, izay mety fanapahan-keviny.

Partager sur: