Mois : février 2024

Boriborintany IV : nofanina momba ny niomerika ny vehivavy

Natomboka omaly ny fampiofanana ireo fikambanam-behivavy etsy amin’ny boriborintany fahefatra mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia moderina. Haharitra 3 volana ny fampiofanana ao amin’ny “Maison digitale pour les femmes”, hifehezana ny fitaovana niomerika sy ny fivelarana maha olona. Tanjona ny hifehezan’ireo mpisitraka ny fikirakirana ny fitaovana manaraka ny teknolojia toy ny […]

Ranotrambo niseho tany Benenitra : olona iray maty, dimy tsy hita popoka

Taorian’ny fidinan’ny tomponandraikitra nijery ny vokatry ny ranotrambo niseho tany Benenitra, nivoaka ny tatitra ofisialy avy amin’ny BNGRC. Iray ny olona maty vokatry ny fisian’ny ranotrambo tany amin’ny distrikan’i Benenitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Dimy ny olona tsy hita popoka ary dimy hafa avotra soa aman-tsara, araka ny tatitra avy […]

TARATRY ny KANTO

Madagascar Espace – Solo Andrianasolo. « Mahery ny fitia » ny lohahevitry ny seho an-tsehatra hataon’i Solo, anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Madagascar Espace Ambohimangakely. Mazava loatra fa manodidina ny fetin’ny mpifankatia hatrany izany, ka hahazo sehatra kokoa ireo hiram-pitiavana. Hitohy amin’ny fanehoana dihy hataon’ireo mpandihin’ny Mada Groupe ny […]

Fimpima- 60 taona: nisokatra omaly ny loabary an-dasy, ivon’ny fankalazana

Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Akademia Mala­gasy, Tsimbazaza, ny loabary an-dasy, ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fikam­banan’ny Mpikabary Mala­gasy (Fimpima). Nanomboka omaly ary hofaranana amin’ny fambolen-kazo rahampitso. Ankoatra ny lanonam-panokafana ny ivon’ny fankalazana, hetsika maro no nentina nanamarihina ny fankalazana ka maro ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra sami­hafa niatrika izany. […]

« Miss Monde 2024 »: hiainga rahampitso ho any Inde i Antsaly Rajoelina

Tovovavy avy amina firenena 110 no indray hifaninanana amin’i Antsaly, izay samy te hisalotra ny anaram-boninahitra « Miss Monde 2023 ». Manana ny haavo hoenti-miatrika izany kosa anefa ny solontena malagasy. Vonona amin’ny lafiny rehetra! Nanambara ny komity mpikarakara ny « Miss Madagascar » fa hiainga rahampitso 17 febroary, hihazo an’i Mumbai Inde, i […]