Mois : février 2024

Volley : ho avy eto ny CAVBZ 7

Araka ny efa nampahafantarin’ny eo anivon’ny Federa­siona malagasin’ny volley-ball, ho avy eto Madagasikara ny solontenan’ny CAVB Zone 7, hanara-maso mahakasika ny fanomanan’i Madagasikara, ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7. Fantatra fa ny 15 febroary izao no ho avy eto izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny FMVB. […]

Fampandrian-tany: mifanome tanana ny fokonolona sy ny Tafika

Mifanome tanana amin’ny miaramila mpampandry tany ny fokonolona ho an’ny ao amin’ny koaminina roa: Am­ba­toasana Afovoany sy Tam­ponala. Manatanteraka ny hetsika Sivily Miaramila ny Tafika malagasy izay manatona ny vahoaka eny ifotony. Manao ny fisafoana ny tanàna sy ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny izy ireo. Manentana ny fokonolona sy mampahatsiahy ny […]

Toamasina : mpitondra Bajaj mpanary zanaka

Nosamborina omaly ka efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny polisy ilay raim-pianakaviana sy ny vadiny ary ny sakaizan’io raim-pianakaviana io. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandaozana ilay zazakely tao amin’ny Hopitalibe. Efa fanaon-dRabenantenaina, mpitondra Bajaj, ny manary zanaka sy izay vehivavy sakaizany, raha ny fanazavan’i Mamisoa renin-janak’ilay mpamily Bajaj. Ny talata teo, […]

MFA : nametraka politika mahomby amin’ny alalan’ny serasera

Notontosaina teny amin’ny Mess Fiadanana, afakomaly, ny atrikasa nataon’ireo mpikirakira ny serasera eo anivon’ny Foloalindahy malagasy (MFA). Fametrahana tondrozotra mazava mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana no kendrena hanatsarana sy hampivoarana ity sehatra ity. Tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra no nifampizarana ireo sakana na olana rehetra sedraina amin’ny asan-tserasera, eo am-panatanterahana ny asa […]