Taranja vaovao, efa misandrahaka amin’ny toerana maro eto Madagasikara ny Padel. Na tsy mbola misy federasiona misahana izany aza, maro ireo fifaninanana ho tanterahina atsy ho atsy. Manome tanana azy ireo, araka izany, ny Orange Madagascar.
Ny taona 2019 no tonga teto Madagasikara ny taranja Padel, mitovitovy amin’ny tenisy. Vetivety dia nahazo vahana izy ity, ary efa mahatratra 600 mianadahy mianaka, ny mpilalao azy, avy amin’ny klioba 9 eto Analamanga sy Antsinanana ary Nosy-Be. Ho fampiroboroboana sy fanohanana azy, hanohana sy hanolo-tanana ny Malagasy pro padel tour (MPPT), ny Orange Madagascar. Notanterahina omaly, teny Ankorondrano, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta. Nanatontosa izany, i Frederic Debord, tale jeneralin’ny orinasam-pifandraisana sy i Gary Ah Waye. Nambaran’i Frederic Debord fa tafiditra ao anatin’ny fanapariahana ny taranja izao. Mampita ny soatoavina amin’ ny fampahafantarana ny Orange ihany koa.
Notsiahiviny fa tsy vao izao akory ny Orange no nanohana ny fanatanjahantena malagasy, izay mivoy ny firaisan-tsaina sy fifampizarana ary firaisankina eo amin’ny ekipa ary indrindra mametraka ho lohany amin’ny maha izy anao.
Ho fanombohana amin’ny fiarahan’ny roa tonta, hisy fifaninanana miisa 21 hatao mandritra ity taona 2024 ity, hitondra ny anarana hoe : «Orange MPPtour». Hisantatra izany ny etsy amin’ny Urban Futsal Andraharo, ny sabotsy sy alahady ho avy izao. Hiitatra any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy izany avy eo. Ho fanamafisam-pahaizana, ho avy hampiofana ilay frantsay manam-pahaizana, i Julien Bondia, ny 8 – 30 avrily ho avy izao.
Efa manana mpilalao misongadina ny Malagasy toa an’i Stéphane Rajonson sy Rabezafy Landry ary i Fontaine Marraine, eo amin’ny lehilahy, raha i Miarana sy i Fitia Robinson ho an’ny vehivavy.
Torcelin




