Daniel Ramoroson Trio, etsy amin’ny No Comment Bar. Hitondra ny hira vokatry ny tany, misy fototra nentim-paharazana indray ry Radany Marovany sy ny ekipany, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, eny Isoraka. Marivany, gitara ary amponga no hanaraka ireo hira nosafidina handrotsy sy hanainga ny fanahin’ireo ho avy hianoka izany […]
Mois : février 2024
IFM Analakely: hiavaka ny fampirantian’i Andy Dominique Rak
Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 12 hatramin’ny 24 febroary 2024, ny fampirantiana «Fractures Quantiques», tontosain’i Andy Dominique Rak, Malagasy mpahay kanto sy mpikirakira teknolojia. Somary miavaka sy mialakely amin’ny mahazatra izy ity, noho izy mampahafantatra ny fifandraisana, izay somary manjavozavo, eo amin’ ny maha olombelona […]
CGM/GZ: hihaona ny mpitia Jazz
Mitohy ny hetsika fanaon’ny Jazz Club CGM/GZ isaky ny alahady fahatelo. Fihaonan’ireo mpitia jazz, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Goethe-Zentrum) Analakely, ny alahady 18 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanana endrika fifanakalozana eo amin’ny zoky sy zandry, fitsirihana ireo talenta vaovao ary fihaonana mivantana eo amin’ny samy mpitia […]
Tanora Masina Itaosy: hampahafantarina ny “Hafa ny taloha”, rakikira faha-10
Seho goavana hatrany. Sady fanolorana ilay rakikira vaovao, faha-10, tamin’izay notontosain’ny Tanora Masina Itaosy ny amin’ny alahady izao. “Ny tia dia…manolotra ny ainy ho an’ny sakaizany”. Izay andalana nalaina tamin’ny Soratra masina izay no lohahevitra hitondrana ny fampisehoana goavana, hotontosain’ ny Tanora Masina Itaosy. Hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy […]
Manodidina ny fiandohan’ny taona : vanim-potoana fanavaozana ny fanaka ao an-trano
Ny volana manodidina ny fiandohan’ny taona vaovao toa izao ny fotoana mahasarika ny olona hividy entana sy kojakoja ao an-tokantrano, raha ny fanadihadiana natao. Eo anelanelan’ny volana desambra hatramin’ny volana marsa eo izany, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Maro ny antony mahatonga ny ankamaroan’ny olona manavao sy manolo ireo fitaovana […]