Mois : février 2024

VAOVAO TAMBATRA

Nidina 49,6 % ny vokatra lavanila naondran’i Madagasikara, taorian’ny fampihenana ho 38,8 % ny habeny sy ho 17,6 % ny vidiny. Nihena ho 9,6 % ny vola azo avy tamin’ny fanondranana jirofo taorian’ny fampihenana ny habeny ho 14,7 % na teo aza ny fisondrotan’ny vidiny, manodidina ny 6 %. Olona […]

Tranombarotra Cosmos : lokabe 25 nozaraina ho an’ny mpanjifa

Nisokatra ny taona 2013 ny tranombarotra Cosmos, misehatra amin’ny fivarotana kojakoja madinika sy vaventy ao an-tokantrano. Nikarakara lalao «Tombola» ity orinasa ity, tany amin’ireo magazay miisa 18 manerana ny tanàn-dehibe eto amin’ny Nosy, ny 6 desambra 2023 hatramin’ny 14 janoary 2024. Afaka nandray anjara daholo ny mpanjifa nividy kojakoja tao […]

Tsy matimaty fahatany

  Nanamarika ny andron’ny 7 febroary, omaly, ny mpitondra fanjakana sy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, 15 taona lasa izay. Nangorom-potsy toy ny fanao isan-taona teny Ambohitsorohitra, nandritra ny fotoana nanateram-boninkazo. Nifoha indray ny tsiahy ny ra nandriaka sy ny aina nafoy noho ny fitakiana fanovana sy fiovana tamin’ny fitantanana […]

Nikela sy kobalta: mitotongana ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena

Nidina hatrany amin’ny antsany ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny taona lasa teo. Vokatry ny zava-misy maneran-tany izay miantraika amin’ny sehatry ny toekarena izany. Tsy nitsaha-nitotongana ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny volana janoary 2023. Nidina hatrany amin’ny antsasa-bidy ihany […]

TSELATRA

Lehilahy iray hita faty tsy nisy voamaso tao Antanimieva, distrikan’i Morombe, omaly. Niharan’ny vono nataon’ny mpangala-boamaso io raim-pianaka­viana io. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana manga­tsiakany ka nampandre ny manodidina. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tanora dimy lahy mpikambana anaty fikambanana mpanakorotana naiditra am-ponja ao Antsiranana, afakomaly. Ivondronan’ireo […]