Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana afakomaly, ireo telo lahy voarohirohy ho nanao trafikana zava-mahadomelina katy. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina Anosy (Stup) teny 67 ha Avaratra, ny 5 febroary 2024 teo, izy telo lahy voarohirohy ireo noho ny fivarotana katy. Maro […]
Mois : février 2024
Halatra omby: dahalo iray lavon’ny bala
Namoy ny ainy voatifitry ny Tafika nanara-dia ny iray tamin’ireo dahalo 15 nanafika tao amin’ny tanànan’i Berano-ville, distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, afakomaly. Nalain’ireo dahalo nitam-piadiana an-keriny ny omby 37 tao amin’io tanàna io. Niray hina ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Naharay fampandrenesana […]
67 Ha : Jiolahy raindahiny maty voatifitra
Maty voatifitra ny jiolahy iray, mpanendaka sy mpampihorohoro eny 67 Ha sy ny manodidina. Tafaporitsaka ka ifampitadiavana ny namany. Nirefotra ny basy ! Lavon’ ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo herisetra eny amin’ny Ravitoto-Baobab ao 67 Ha, omaly vao mangiran-dratsy. Naharay loharanom-baovao marim-pototra […]




