Mpirahavavy 6 taona sy 11 taona samy niha ran’ny fanolanana tao Dzamandzar Ampasy, Nosy Be, afakomaly tamin’ny 4 ora maraina. Mpitondra Bajaj ny rain’izy mirahavavy ireto ka niasa alina. Nidiran’ny tsy mataho-tody anefa ny trano ka voaolana ireo zanany mirahavavy. Lehilahy iray nangalatra fahitalavitra naiditra am-ponja etsy Antanimora, ny alatsinainy […]
Mois : février 2024
Vaky fasana: razana iray sisa navelan’ny olon-dratsy
Mirongatra indray ny vaky fasana, tato ho ato, raha somary efa nangingina izany teo aloha. Lasan’ny jiolahy ny razana rehetra tao am-pasana, tamina fasan-drazana iray eny Ambohidava Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly. Novakin’ireo olon-dratsy ny fasana ka notetezin’ireo ny razana tao am-pasana. Lasan’ireo mpangalatra avokoa ny taolambalo rehetra. Tsy vitan’izay fa naparitak’izy […]
Tsy nety nandray ny rainy: zazakely marary narian- dreniny tao amin’ny hopitaly
Mampivarahontsana ! Izay no azo ilazana ny zava-niseho tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, omaly. Zazakely menavava antsoina hoe Tafitasoa Angelico, vao iray volana monja no narian-dreniny (avy any Ambositra) tao amin’ny efitra fidiovana. Raha ny fampitam-baovao, tsy salama io zazakely io ka nentina tao amin’ny dokotera misahana manokana ny fitsaboana zazakely […]
Fahafatesana hafahafa : tovovavy maty nihantona tao an-tranony
Maty nihantona tao an-tranony i Marinah, vehivavy 20 taona, afakomaly maraina. Ahina ho namono tena noho ny famoizam-po izy. Nifatotra tady teo amin’ny tendany. Hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany ny tovovavy iray 20 taona, omaly. Monina ao Tsararano ambany, Mahajanga izy. Vao afaka bakalorea ny taon-dasa, araka ny […]




