Zary lasa fiainana sy mahazatra ny ankamaroan’ny olona ny fitohan’ny fiara misy eto an-drenivohitra. Maharitra eo anelanelan’ny ora iray hatramin’ny adiny efatra eo izany rehefa tena mihisatra, raha ny zava-misy. Anisan’ny fitaovam-pitaterana eto an-drenivohitra ny fiara fitateram-bahoaka (taksibe), moto, taxi… Olana sedraina, iraisan’ny mponina rehetra eto Antananarivo ny fitohanan’ny fifamoivoizana […]
Mois : février 2024
FANTINA sy FINTINA
Nalefa eny amin’ny HCC ny raharaham-pitsarana ho an’ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, araka ny didy savaravina, omaly. Mihemotra amin’ny 12 marsa izany ny didy. Herintaona sazy mihantona kosa ho an’ireo voasambotra tamin’ny hetsika fotsy. Samy voaheloka 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy […]
Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny MMM
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera fa nanana kandidà hatrany ny antoko tarihiny. Niatrika fifidianana tao anatin’ny 10 taona nijoroana. “Tsy maintsy miomana handray anjara koa na ho ela na ho haingana amin’ny maha antoko. Takina hatrany kosa anefa ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara”, hoy izy. […]
Tsy mila mandrimandry
Raha mbola tsy misinda akory ny valanareti-maso, izay efa mielipatrana manerana ny Nosy, mananontanona indray ny aretina mivalan-dra na ny « Choléra ». Tsy mbola misy ny trangan’aretina eto Madagasikara, saingy ny fahamailoana no efa tsy maintsy atao. Efa naka fepetra ny avy amin’ny fiadidiana ny governoran’i Mahajanga. Nanao […]
Safidy ; «Azo ampiarahana ny fifidianana roa samy hafa»
Mbola mandeha ny adihevitra. Nanazava ny fahitany ny hiatrehana ny fifidianana anakiroa ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena Safidy. “Tsy misy ny lalàna manakana ny fampiarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote no tsy azo ampiarahana”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sampana […]




