Mois : février 2024

IFM Analakely: hisy ny tafatafa iarahana amin-dRamanankavana Elie

Tanterahina anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), Analakely, ao anatin’ny hetsika « Conversation litteraire », ny resadresaka arahina adihevitra iarahana amin-dRamanankavana Elie, Malagasy mpaka sary pika. Ny mahakasika ny boky « Jacques Rabemananjara, l’œuvre poétique » no resahina ao anatin’izany. Fotoana lehibe hifampizarana eo amin’ny samy mpahay kanto na dia samy […]

MSK: mitohy ny asa hanatrarana ny tanjona

Teren’ny fe-potoana napetraky ny Filoham-pirenena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta dia ny 100 andro, taorian’ny nanendrena azy. Asa mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy, araka izany, no takiana. Ho fanatanterahana izany, niroso tamin’ny fifampindram-pahefana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly. Nandray ny toerany ny sekretera jeneraly vaovao, Rakotondrasoava […]

Fivarotana lasopy mandehandeha: misy ireo tsara kalitao sy ara-pahasalamana

Maro samihafa ireo mpivarotra hani-masaka hita eny rehetra eny. Tsy mifidy toerana intsony fa ahitana azy ireny avokoa rehefa toerana be olona. Mba ho fitsinjovana ny fahasalamana anefa, ilaina hatrany ny mifidy ny tsara kalitao. Nandritra ny enin-taona izay no niseharan’ity raim-pianakaviana ity teo amin’ny fivarotana lasopy. Dingana maro no […]

Sekreteram-panjakana: manomboka ny fandraisana kandidà

Misokatra amin’ny olom-pirenena rehetra manomboka anio, ao amin’ny tambajotran’ny fiadidiana ny Repoblika ny fandraisana ny mombamomba ireo hirotsa-kotendrena ho sekreteram-panjakana. “Laharam-pahamehan’ny filohan’ny Repoblika ny hametrahana sekreteram-panjakana. Mba hahazoan’izy ireo misahana ireo tetikasa hanatanterahana ny vinam-pampandrosoana andrasana amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, […]