Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Jly Rasolondraibe Jean Yves, talen’ny kabinetra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, sy Rakotonirina Elysa, vao voatendry ho eo amin’izany toerana izany. Nitarika ny lanonana i Fanohiza Claude, sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika. Nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika ity talen’ny […]
Mois : février 2024
Fiarovana ny tontolo iainana: namboly hazo 3 000, teny Iavoloha, ny Prezidansa
Nitohy teny amin’ny manodidina ny Lapam-panjakana Iavoloha indray ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Nitarika izany ny filohan’ny Repoblika. Nambarany tamin’izany fa mitari-dalana sy manome ohatra eo amin’ny fambolen-kazo ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anisan’ny nanatanteraka izany ireo rantsa-mangaika sy ny eny anivon’ny fitantanana ny minisitera […]
MESUPRES: nanome ordinatera ny onivesiten’Antananarivo
Nihaona teny Fiadanana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESupReS), Dr Razafiharison Andriamanantena sy ny fianakaviamben’ny oniversiten’Antananarivo. Voasolo tena avokoa ny tomponandraikitra sy ny filankevitra siantifika notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Ravelomanana Mamy. Nanotrona koa ireo lehiben’ny toeram-pianarana sy ny lehiben’ny sampam-pianarana samihafa. Nandritra ny fihaonana, nanaovana tsidi-dresaka […]
Ampefiloha: misy mivarotra amin’ny kilao ny dabam-pako
Tratra tao amin’ny toerana “vorodamba” eo am-pitetehana ny dabam-pako ireto mpangalatra 3 lahy sy vehivavy iray izay mpandray ny entana halatra, ny alakamisy teo. Zaza tsy ampy taona ny iray tamin’ireo mpangalatra ka nalefa avy hatrany tany amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Nokasaina hamidy amin’ny kilao ny […]
Ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida: hiara-hiasa amin’ny fiarahamonim-pirenena ny ONG Mad’Aids
Tsapa ho somary ambanin-javatra ny fitarihana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/Sida teto Madagasikara. Nanavao fomba fiasa, araka izany, ny ONG Mad’Aids, manomboka izao. Nanavao ny fomba fiasa hanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/ Sida eto Madagasikara, ny ONG Mad’aids. Tambajotra tokana ivondronan’ny fikambanana 35, […]




