Sekreteram-panjakana: manomboka ny fandraisana kandidà

Misokatra amin’ny olom-pirenena rehetra manomboka anio, ao amin’ny tambajotran’ny fiadidiana ny Repoblika ny fandraisana ny mombamomba ireo hirotsa-kotendrena ho sekreteram-panjakana. “Laharam-pahamehan’ny filohan’ny Repoblika ny hametrahana sekreteram-panjakana. Mba hahazoan’izy ireo misahana ireo tetikasa hanatanterahana ny vinam-pampandrosoana andrasana amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, teny Iavoloha, omaly. Miisa 11 izy ireo. Miditra amin’ny fanivanana azy ireo ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’izao hahazoana sekreteram-panjakana matihanina sy tafiditra amin’ny masontsivana amin’izany.

Manentana izay liana te hampandroso ny firenena, tia tanindrazana, te hiara-kiasa amin’ny  filohan’ny Repoblika satria eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Repoblika ny sekreteram-panjakana. Sokafana amin’ny olon-drehetra izay fandraisana fa maro ny manampahaizana, tia tanindrazana, te hampandroso ny firenena, manaiky sy resy lahatra amin’ny vina fampandrosoanan’ny filohan’ny Repoblika hatao. Sampandraharaha manokana no hanao ny sivana sy ny fifantenana izay horaisina amin’izany. Mandeha haingana ny filohan’ny Repoblika. Izay indrindra no hanamafisana hoe mitoetra ny fanaovana tombana sy fitsapana ary ny fifampidinihana. Hisy ny kabinetra hiandraikitra an’izay. Andrasana amim-pitoniana ny valin’izay.

R. Nd.

Partager sur: