Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny lalao afrikanina, andiany faha-13 hatao any Accra Ghana, ny 8 hatramin’ny 25 marsa izao. Resy lahatra ny fitondram-panjakana rehefa namelabelatra sy nanazava ny maha zava-dehibe ity fifaninanana ity ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, […]
Mois : février 2024
« Can 2023 » : hifanandrina i Nigeria sy i Angola
Efa fantatra avokoa ireo firenena hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny “Can 2023”, atao any Côte d’Ivoire. Hanokatra izany voalohany ny fihaonan’i Nigeria sy i Angola. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Le Felicia Côte d’Ivoire, ny fihaonana eo amin’ny Super Eagles, Nigeria sy ny Palancas Negras, Angola. Tafiditra amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana […]
Arivonimamo : dahalo telo voasambotra
Vehivavy iray sy dahalo roa lahy voasambotra ny mpitandro filaminana tao Ambatomanga, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mihazona basy tsy ara-dalàna izy mivady ireo. Nosavaina ny trano fonenany ka tratra tao ny kavin’omby am-polony sy ny taratasin’omby maromaro. Tsy nisy nifandraisany tamin’ireo kavin’omby ireo taratasy ireo. Nahatrarana […]
Holafitry ny mpanao gazety : voafidy ny solontena eo anivon’ny HCDDED
Tontosa, omaly, teny amin’ny birao fiasan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), Ambohidahy, ny fifidianana izay hisolo tena azy ireo eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Voafidy tamin’izany i James Ramarosaona. Tamin’ny alalan’ny latsabato ana habaka no nanaovana izany ary tamin’ny […]
Fifandraisan-davitra : tafakatra 151 tapitrisa ny mpanjifan’ny Airtel Afrika
Nahatratra 100 tapitrisa dolara ny renivola novidian’ny vondrona orinasa fifandraisan-davitra Airtel Afrika. Nitombo ny isan’ny mpanjifa, sady nahomby ny fifanakalozam-bola. Nitombo 9,1% ! Tafakatra 151, 2 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny vondrona Airtel Afrika tamin’ny taom-piasana 2023. Nahatratra 62,7 tapitrisa ny mpanjifa mampiasa ny tolotra, raha 37,5 tapitrisa ny mampiasa ny fifanakalozam-bola. […]