Hotanterahina ny 28 sy 29 febroary ary hitohy ny 1 marsa ny fanamarihana ny Andron’ ny sekoly manerana ny Nosy. “Sekoly ivon’ny fiarahamonina, mpianatra vonona sy vanona ho amin’ny fandrosoana lovainjafy”. Io no lohahevitra voizina mandritra ny 3 andron’ny hetsika. Fotoana hanentanana ny mpianatra hamboly hazo sy hanazavana amin’izy ireo […]
Mois : février 2024
Boriborintany fahatelo : mitohy ny asa fanadiovana
Mitohy ny asa fanadiovana hiarahan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina. Fokontany telo, ao amin’ny boriborintany fahatelo, no nanaovana ny asa sandaina sakafo, ka olona 205 no manao ny asa. Fokontany Ankazomanga Andraharo, eo amin’ny Canal C3 hatreny Andraharo, fanalana fako sy tsinkafona no atao ka olona 100 no miasa haharitra […]
Tetikasa Tafita : mampivoatra ny fifehezana ny vakiteny sy ny kajy
Mitohy ny tetikasa « Tafita » izay iarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny fandaharanasa japoney, JICA. Handrakotra ny faritra 23 izany manomboka amin’ity taona ity. Hitohy amin’ny dingana fahatelo ny tetikasa «Tafita», nampiharina teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra na ny EPP. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy hanomezana lanja ny fitantanana eny ifotony miaraka […]
«Afrobasket Men 2025» : 12 mirahalahy hanafika any Egypte
Nanainga omaly, nihazo an’i Le Caire renivohitr’i Egypte, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy. Hiatrika ny dingana voalohany ho an’ny fifanintsanana «Afrobasket Men 2025» izy ireo. Fihaonana hatao ny 23 ka hatramin’ny 25 febroary ho avy izao. 12 mirahalahy ny mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona «D» no misy […]
Ping- Pong – «Mondial 2024» : tapitra hatreo ny dian’ i Madagasikara
Nofaranan-dry zareo Sinoa ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana maneran-tany taranja tenisy ambony latabatra. Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny ekipa malagasy. Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny “Mondial 2024”, taranja “ping pong”, lalao iraisana, i Madagasikara. Fifaninanana atao any Busan, Korea Atsimo. Resin’ny Sinoa avy ao Taipei tamin’ny isa […]




