Mois : février 2024

« Sokela, la parole du Sud » faha-12: misongadina ny fanabeazana

Azon’ireo any ampitan-dranomasina jifaina, eny anivon’ny trano famakiana sy fivarotam-boky maro, nanomboka omaly, ny « Sokela, la parole du Sud », laharana faha-12, notontosain’ny Profe­sora Rasamoelina Henri. Tsia­hivina fa ny 15 febroary 2024 no nivoahany tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny eto Madaga­sikara. Lahatsoratra 17 no mandrafitra azy ity, ary Mala­gasy mpikaroka miisa […]

« Velapiainana »: hamoaka ny tsiambaratelom-pitiavany Ratsifa

Tsy tazana loatra ao anatin’ny sanganasany ny zavatra iainany. Ratsifa, mpanoratra miaina tahaka ny olon-drehetra. Hiresaka momba ny fitiavana izy sy i Maneho anio. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Hotan­terahina anio, etsy amin’ny efitrano Dox, Tra­nombokim-pirenena Anosy, ny velakevitra « Velapiaina­na ». Ny ho fizotry ny hetsika ? Ratsifa (-) : Amin’ny […]

Mpanao mari-trano : manana anjara andraikitra ao anatin’ny fanajariana ny tany

Tsy mbola mahafantatra ny asan’ny mpanao mari-trano ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, raha ny fanadihadiana natao. Mihevitra ihany koa ny sasany fa lafo sy natokana ho an’ny mpanankarena izany. Miteraka faharatsian’ny fotodrafitrasa anefa izany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny Holafitry ny mpanao mari-trano malagasy. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana avokoa ny 80 %-n’ny trano aorina eto Madagasikara […]

FANTINA sy FINTINA

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fampiasana ny Diary fanarahan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, Anosy. Araka ny fanazavanan’ny minisitry ny Fitsarana, ezahina ny hanatsara ny fandraisana ireo manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Fantatra, ohatra, ny andro hakana ny didim-pitsarana, ny fanemorana… Haparitaka any Antsirabe sy Toamasina izany ao anatin’ny zato andro. Ny fametrahana […]