Madagasikara sy Burundi : “Matoky ireo mpilalao aho”, hoy ny Coach Rôrô

Tonga ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpankafy baolina kitra, hijerena indray ny Barea de Madagascar hiakatra kianja. Hihaona amin’i Burundi izy ireo, anio, etsy Mahamasina.

“Matoky ireo Malaga­sy mpilalao 25 mandrafitra ny Barea aho”, hoy Rakoton­drabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea, omaly, teny Ivandry, nandritra ny valandresaka niarahana tamin’ny mpanao ga­zety. Marihina fa hihaona amin’i Burundi ny ekipa nasionaly malagasy anio, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Lalao ara-pirahalahiana izay karakarain’ny federasiona ma­lagasin’ny baolina kitra (FMF), tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa”.
Tsiahivina fa nandritra ny “Can 2019”, tany Egypte, dimy taona lasa izay, no nihaona farany ny roa tonta. Resin’i Madagasikara 1 no ho 0 i Bu­rundi tamin’izay. Nametraka fanamby ny handresy ny Barea eo Mahamasina ry zareo. Ankoatra izay, hatao aorian’io lalao io ihany koa ny fihaonana eo amin’i Rwanda sy i Botswana. Marihina fa ny alatsinainy ho avy izao, hifanandrina amin’i Rwanda i Ma­dagasikara. Tsara ny mampahafantatra fa natao hanomanana ny lalao roa izay hihaonan’ny Barea amin’ny ekipam-pirenen’i Comores sy i Mali, ny volana jona ho avy izao, ity lalao ara-pirahalahiana ity.
Raha eo amin’ny filaharana eo amin’ny Fifa kosa indray, andrasana izay mety ho fivoarany aorian’ity lalao ara-pirahalahiana ity, satria tsy mbola nihetsika teo amin’ny laharana faha-109 i Mada­gasikara. Hivantana amin’ny Televizionina malagasy ny fihaonana rehetra ataon’ny Barea.

Fitia Randria

Partager sur: