Nosamborina hatao fanadihadiana eny amin’ny zandary, ankehitriny, ny vehivavy iray 37 taona,
monina eny Ambohidrapeto, Itaosy. Ahina ho nahafaty an-drainy, jeneraly misotro ronono sy nandratra an-dreniny izy.
Maty tsy tra-drano ny jeneraly iray efa misotro ronono, tamin’ny alahady alina, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nitambotsotra tampoka, nianjera tamin’ny tany ilay raim-pianakaviana rehefa nifamaly tamin’ny zananivavy, efa 37 taona. Tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Ambohidrapeto, distrika Antananarivo Atsimondrano, no nitrangan’izany.
Voalazan’ny fampitam-baovao, narahin’ny fanadihadiana teny ifotony, fa mamo ilay vehivavy. Nandrahona ny hamono ny iray amin’izy mivady ray aman-dreniny izy. Raikitra ny tabataba, nanaitra ny manodidina. Niditra an-tsehatra ilay jeneraly. Niezaka ny nampitony ilay zanany izy mba hifampiresaka am-pilaminana, hisorohana ny fanakorontanana ny manodidina.
Raikitra ny fifampitaritarihana hatreny an-tokotany. Tsy nahatsindry fo noho ny toaka ilay zanany vavy, araka ny tatitry ny zandary. Vokatry ny fifandirana, nitolefika ilay manamboninahitra jeneraly. Tsy nahatsiaro tena izy. Niezaka ny namelombelona azy ny vadiny, saingy tsy nisy azo natao.
Naratra ihany koa
Nandritra ny fotoana nialany nenina tamin’ny vadiny, mbola nodarodarohan’ilay vehivavy koa ny reniny, araka ny angom-baovao sy ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Niakarapoka tamin’ny tany koa ilay ramatoa lehibe. Vokany, naratra izy. Folaka ihany koa ny foto-tsandriny. Nentina namonjy ny hopitaly miaramila eny Soavinandriana. Tsy misy ahina ny fahasalamany, hatramin’ny omaly.
Fijanonan’ny fo?
Raisina ho ahiahy ny maha tompon’antoka amin’ny fahafatesan-drainy ilay vehivavy fa tsy tompon’andraikitra mivantana akory. Fijanonan’ ny fo tampoka no voalazan’ny fizahan’ny dokotera, araka ny vaovao voaray. « Tsy misy fanamafisana ara-pitsaboana milaza fa vokatry ny herisetra izany », araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary.
Taorian’ny fanangonam-baovao, nandritra ny fanadihadiana nataon’izy ireo, notanana vonjimaika natao fanadihadiana ilay vehivavy mamo. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.





