Baolina kitra : resin’i Rwanda 2 no ho 0 i Madagasikara

Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny lalao firahalahiana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) teto an-toerana. Tsy nahita hirika nanoloana ny ekipa nasionaly rwandais ny Barea.

Vokatra ratsy no nentin’ny Barea de Madagas­car namaranana ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny andron’ny “Fenêtre Fifa”. Resin’i Rwan­da tamin’ny isa 2 no ho 0 i Madaga­sikara, omaly, teny Mahamasina. Nilaza ny mpanazatran’ny Barea, Rakoton­drabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô fa nahazoan’izy ireo lesona maro ny fihaonana. Hiezaka izy ireo ny hanarina ny lesoka.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, nifamaly tanteraka ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. I Gilberto, mpilalaon’i Rwanda no nahakobana ny harato voalohany. Nahafaty ny baolina ny tandrevaka nataon’ny vodilaharan’ny Barea. Io isa 1 no ho 0 io no nentin’ny ekipa roa tonta niala sasatra.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nanova paikady ny Coach Rôrô. Anisan’ izany ny fampidirana an-dry Baggio, Ando Pro, Tsiry kely, Jean Yves, Berajo. Nahitana vokatra ihany izany saingy tsy nifanandrify tamin’ny masona harato avokoa ny dakan’izy ireo. Iray minitra tsy hifaranan’ny lalao (89 min), nampi­an’ilay kapitenin’i Rwanda, Bizimana Ajihadi, ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nijanona tamin’io isa 2 no ho 0 io ny lalao, resy ny Barea de Mada­gascar.

Miady ho lohany

Araka izany, faharesena iray sy fandresena tokana nanoloana an’i Burundi no vokatra azon’ny Barea tamin’ireo lalao roa nataony, tamin’ity volana marsa ity. Tsara marihina fa natao hanomanana ny fifanandrinan’izy ireo amin’i Comores sy i Mali, ny volana jona ho avy izao, ireny lalao ara-pirahalahiana ireny. Tsara ny mampahafantatra fa laharana fahatelo i Madagasi­kara ao amin’ny vondrona “I”, amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Miady ho lohany amin’ny Malagasy ao i Mali, Ghana, Comores, Tchad ary ny Repoblikan’i Centrafrique.

Fitia Randria

Partager sur: