“Forum national Mini-Basket” : ligim-paritra 17 nahatonga solontena

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 25 marsa, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny andiany faharoa amin’ny “Forum national Mini-Basket”. 133 ny isan’ny mpandray anjara hiatrika izany, izay avy amin’ny ligim-paritra 17 manerana ny Nosy. Mandritra ny roa andro no hanatanterahana ity “Forum” ity, hiarahana amin’ny komisiona Mini-Basket eo anivon’ny Federa­siona malagasin’ny basikety sy ireo manam-pahaizana ma­nokana amin’ny fampianarana basikety ny ankizikely. Eo ihany koa ireo Delege Mini-Basket niatrika fiofanana tany anivon’ny FIBA ka mizara izany traikefa izany amin’ireo klioba tonga manatrika ity fiofanana ity. Tsiahivina, fihaonana eo amin’ny ankizy milalao basikety latsaky ny 12 taona no hatao amin’ity “Forum” ity. Tsy fifaninanana akory no hatao ary tsy misy ny mpandresy fa samy mahazo amboara mitovy avokoa ny mpandray anjara sy ny ankizy rehetra, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ny komisiona ny Mini-Basket. Fampi­voarana ny ankizy tsirairay no tanjona ary hanentanana azy ireo ho tia ny taranja basikety.

Mi.Raz

Partager sur: