Antafana Toamasina : hamerina ny lazan’ny baolina kitran’Antsinanana

Hofohazina indray ny Antafana, sekolin’ny baolina kitra eto Toamasina. Anton’izany ny hamerenana ny lazan’ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity.

Tsy henoheno intsony ny sekolin’ny baolina kitra Antafana Toamasina (Andry Tanora Fanantenana Atsinanana). Nanapa-kevitra, araka izany, ny Me Lalatiana, filoha mpitantana fa hamerina sy hampihodina indray ny ivontoeram-piofanana sy fampianarana baolina kitra ho an’ny kilonga eto an-toerana. Anton’izany, ny fahatsapan’izy ireo fa marary sy manomboka miala aina ity taranja ity, eto amin’ny faritra Atsinanana. Hanao ezaka ireo mpanazatra ny sekolin’ny baolina kitra Antafana, hamerenana indray ny hasin’ny baolina kitra eto Toamasina.
Amin’izao famohazana ny Antafana izao, mahatratra 50 ireo katitakely beazina ao. Mizara ao anaty sokajy efatra izy ireo dia ny U9, U12, U14 ary ny U18. Ity farany izay efa mifaninana eo anivon’ny seksiona. Tsiahivina fa ao amin’ny kianjakely manara-penitra Mangarano ny fanaovan’izy ireo ny fanarazarantena, izay atao indroa isan-kerinandro. Hita sy tsapa ny hakingan’ireo katitakely ka mahavelombolo ny mety hoavin’ny baolina kitra eto Toamasina, afaka taona vitsy raha tsy misy ny fiovana.
Tsiahivina fa isaky ny vo­lana desambra, tolorana fankasitrahana ireo klioba sy atleta, nitondra avo ny lazan’ny faritra Atsinanana, teo amin’ny fifaninanana nasionaly ataon’ny lehiben’ny faritra, Rafidison Richard Theo­dore. Tao anatin’ny telo taona nisian’ny hetsika, tsy hita tabilao ny baolina kitra. Ankoatra izay, simba sy mihena ny fotodrafitrasa ho an’io taranja io. Ankilany, misedra olana ireo sekoly tsy manana kianja hany ka eny amoron-dranoamsina no manao fanabeazana ara-batana, izy ireo.

Sajo

Partager sur: