AXELLE SY ORLANE : Talanjona amin’ny talentan’ny Malagasy

Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fampianarana dihy noentin’ireo vahiny
roa vavy teto Madagasikara. Nahaliana ny Malagasy tonga teny Mahamasina izany. Ta­lanjona ihany koa izy ireo amin’ny talentan’ny Malagasy mpandihy. Tao amin’ny La­pan’ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanaovana ity fampiofanana dihy an-dRenivohitra «Perfect Your Dance» ity. I Axelle sy i Orlane, mpandihy manana ny maha izy azy avy any ivelany no nizara ny traikefany nandritra izany. Niarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy Fana­tanjahantena niasa tamin’ny federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena sy ny L-FY Studio ny nikarakara ny hetsika. Tanora manodidina ny 500 hatramin’ny 600 no nisitraka ity fampianarana ity, izay nanomboka tamin’ny 8 sy sasany maraina hatramin’ny
4 ora sy sasany tolakandro. Nilaza ho afapo tamin’ny fampianarana sy fampiofanana, izay afaka natrehan’ny mpijery ny tanora nanatrika. Tanjona tamin’ity hetsika ity ny nahafahan’ireo tanora malagasy mpandihy nanatsara ny fahaiza-manaony sy naneho hevitra tamin’ny alalan’ity dihy an-dRenivohitra ity na ny “danse urbaine”. Raha ny fandaharam-potoana, nisy ny «ateliers de danse» niarahana tamin’
ireo mpiangaly «choregraphes» sangany. Nisy koa ny fanentanana amin’ny fiatrehan’ny tanora ireo olana ara-tsosialy ankehitriny, toy ny fisorohana ny vohoka aloha loatra sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ny toekarena eto Madagasikara ny tanora, izay indrindra no katsahan’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena.

Mi.Raz

Partager sur: