Kianjaben’i Mahamasina : «Ratsy ny bozaka», hoy i Rayan

Iray andro, taorian’ny nahavitan’ny lalaon’ny Barea sy i Rwanda ny alatsinainy lasa teo, nanao fanambarana tao amn’ny tambanjotra serasera i Rayan Raveloson kapitenin’ny Barea de Madagascar. Naneho ny alahelony ny amin’ny kalitaon’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny tenany. “Ratsy ny bozaka ary tsy ahafahana mamoaka ny tena fahaizan’ny mpilalao malagasy”, hoy izy. Notsindriany fa olona tia mitazom-baolina sy manao tolotolotra akaiky ny Malagasy mpilalao saingy tsy afaka naneho izany. Tsiahivina fa resin’i Rwanda tamin’ny isa, 2 no ho 0 ny Barea, tamin’io fihaonana io.
Mbola miandry ny fankatoavan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA) moa io kianjaben’ny Mahamasina io, mba hahazoana mandray ireo lalao fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Mondial 2026. Marihina fa eo am-piandrasana ireo manam-pahaizana hanatanteraka izany ny federasiona malagasy (FMF), mialoha ny handraisana ny lalao mandroso hikatrohana amin’i Comores sy i Mali ny volana jona ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: